AriraVavy
Rasoa
2
AriraVavy is a Malagasy podcast that provides a platform for discussing women's lives, motherhood, culture, and identity. Each woman has a story worth sharing, and each mother carries a legacy. Hosted by Rasoa, the show invites listeners to join a journey of discovery, connection, and empowerment.
Epizody
-
S 3 Ep # 8: Fahaiza-mamorona, Fahasalamana ara-tsaina ary ny maha-vehivavy ankehitriny./ Créativité, Santé mentale et l'Art de se réinventer. 15.07.2026 2h 24minMG: Ao anatin'ity fizarana vaovao amin'ny saison Entre-nous ity, dia hiaraka hahafantatra bebe kokoa an'ilay andriambavilanitra ao ambadik'ireo anarana hoe Loilufy sy Minimialista isika.Maro ny resaka novelabelarina ary anisan'izany :Ny maha-izy ny tena : Niresaka malalaka momba ny fahatsapany ho "neurodivergente" izy, ireo dona (trauma), ary ny fomba niatrehany ny fahasahiranana teo amin'ny rafi-pampianarana noho izay .Fahaiza-mamorona sy fahasalamana ara-tsaina : Nodinihinay ny rohy akaiky misy eo amin'ny fahaiza-mamorona sy ny fahasalamana ara-tsaina ("santé mentale"). Notsindriany fa samy manana izany talenta izany avokoa ny rehetra raha mahay maka aingam-panahy amin'ny zava-misy manodidina.Tontolon'ny fandraharahana : Ny tantaran'ny niforonan'ny Minimialista, marika mivarotra fonon-ondana landy izay natao hitondra vahaolana ara-pahasalamana (fisorohana ny mony sy ny fahatapahan'ny volo, fanatsarana ny torimaso) ary mampifandray izany amin'ny haingo trano "interior design".Fiainan-tokatrano sy ny vatana : Ny fahitany ny fiainam-baovaony ao anatin'ny fanambadiana vao haingana, ary ny fivoaran'ny fomba fijeriny ny vatany sy ny bika aman'endriny nandritra ny taona maro.Ny maha-vehivavy ankehitriny : Fandinihana lalina momba ny fiainan'ny vehivavy, ireo zavatra andrasan'ny fiarahamonina izay sarotra zakaina,Fizarana feno fahatsorana ity, natao ho an'ireo mitady aingam-panahy eo amin'ny fanorenana ny asa sy ny fifandraisana !FR: Dans ce nouvel épisode de la saison Entre-nous, nous plongeons dans l'univers de la femme qui se cache derrière les noms Loilufy et Minimialista.À travers une conversation intime, notre invitée se livre à cœur ouvert sur son parcours :Identité et vulnérabilité : Elle aborde son rapport à la neurodivergence, les traumatismes passés et la manière dont elle a surmonté un complexe d'infériorité lié au système académique.Créativité et santé mentale : Nous explorons comment la créativité est liée à la santé mentale et à la gestion des attentes « deadlines ». Elle nous rappelle que l'inspiration est partout et que tout le monde possède une part de créativité.L'aventure entrepreneuriale : Découvrez la genèse de Minimialista, sa marque de taies d'oreiller en soie, pensée pour lier design d'intérieur, bienfaits pour la santé (hygiène, prévention de l'acné et de la casse des cheveux) et qualité du sommeil.Vie personnelle et acceptation : De sa nouvelle vie de jeune mariée à la conciliation de son individualité, en passant par l'évolution de son image corporelle face aux diktats de la beauté.Être femme aujourd'hui : Une réflexion profonde sur la condition féminine, les attentes sociétales difficiles à porter, et ce qu'il a fallu « désapprendre » pour devenir soi-même.Un épisode riche en sincérité, parfait pour celles et ceux qui cherchent l'inspiration pour construire leurs projets et leurs relations avec authenticité ! -
S 3: Ep # 7 : Dans 20 ans, ton enfant viendra-t-il te voir par amour ou par obligation ? /Afaka 20 taona, ho avy hamangy anao noho ny fitiavana ve ny zanakao, sa noho ny adidy? 17.06.2026 1h 20minFR : Et si le problème n'était pas que tu n'aimes pas assez ton enfant mais que la connexion s'est effritée sans que tu t'en rendes compte ?Dans cet épisode, je reçois Agnès, fondatrice de Maman Imparfaite, une communauté malgache dédiée à une parentalité plus consciente. Mère solo depuis la naissance de sa fille, elle a longtemps vécu dans la honte avant de choisir de se montrer. On parle de la différence entre aimer son enfant et être connecté à lui. De ce que le consentement veut vraiment dire au quotidien. De pourquoi l'éducation bienveillante peut devenir culpabilisante, et ce qu'on met à la place. Et surtout, de cette question qui change tout : dans vingt ans, est-ce que ton enfant viendra te voir parce qu'il en a envie, ou parce qu'il s'y sent obligé ?Un épisode honnête, sans jugement, pour toutes celles qui essaient de faire autrement sans toujours savoir comment.MG: Ary ahoana raha tsy hoe tsy ampy fitiavana ny zanakao no olana fa ny fifandraisana no efa nihena nefa tsy tsapanao akory?Amin'ity fizarana ity, mandray an'i Agnès aho, mpanorina ny Maman Imparfaite, vondrom-piarahamonina malagasy natokana ho an'ny fitaizana feno fahatsiarovan-tena kokoa (parentalité consciente). Reny mitaiza irery hatramin'ny nahaterahan'ny zanany vavy izy, ary niaina ela tao anaty henatra talohan'ny nisafidianany hiseho. Miresaka ny fahasamihafana eo amin'ny fitiavana ny zanaka sy ny fananana fifandraisana lalina aminy izahay. Ny tena hevitry ny fanekena (consentement) eo amin'ny fiainana andavanandro. Ny antony mety hahatonga ny fitaizana malefaka (éducation bienveillante) hamorona fahatsapana ho meloka indraindray sy izay azo hasolo izany. Ary indrindra indrindra, ity fanontaniana manova ny zava-drehetra ity: afaka roapolo taona, ho avy hamangy anao ve ny zanakao satria tena te hanao izany izy, sa satria mahatsiaro ho voatery fotsiny?Fizarana iray tena mahitsy, tsy misy fitsarana, ho an'ireo rehetra izay manandrana fomba hafa nefa tsy voatery mahafantatra foana ny fomba hanaovana izany. -
S3 Ep # 6 : Valisoa :She Became Who She Was Meant to Be Through Her Children 08.05.2026 1h 53minMG : Nanoratra ny bokiny voalohany izy satria nihevitra fa efa ho faty, ary lasa boky baoritra (board book) voalohany indrindra navoaka teto Madagasikara izany.Amin'ity fizarana ity, miresaka amin'i Valisoa aho, mpanoratra boky ho an'ny ankizy, reny manan-janaka roa, ary ilay vehivavy mangina manangana nofinofy hanokatra trano famakiam-boky sy fivarotam-boky eto Madagasikara. Miresaka momba ilay boky nateraky ny harerahana tafahoatra sy ny fanontanian'ny zaza telo taona iray izahay ("Neny a, inona no dikan'ny hoe 'tiako ianao'?"), ny fomba nanokafan'ny fitaizana zanaka ny fony ho mpanoratra, ary ny tena fepetra ilaina mba hamoronana sy hamoahana boky ho an'ny ankizy.Lalindalina kokoa ny resakay momba ny lohahevitra iray izay hanohina ny fon'ny vehivavy Malagasy rehetra, na aiza na aiza misy azy eto amin'izao tontolo izao: inona moa no dikan'ny fampitana ny kolontsaina sy ny fitenintsika amin'ny taranaka mandimby, raha isika tenany aza mbola eo am-pikarohana ny tena dikan'ny hoe maha-Malagasy? Tsy misy valiny mora eto fa vehivavy roa fotsiny no mieritreritra amin'ny feo avo, miaraka amin'ny fahasoavana lehibe.Mizara torohevitra azo ampiharina ho an'ireo maniry ho mpanoratra ihany koa i Valisoa, ny fomba fijeriny ny famakiana boky amim-pikasana ho fomba hifehezana ny tena, ary fampahatsiahivana iray tena nanohina sy mavesatra: olombelona natao hiaina sy hahatsapa ianao (human being), fa tsy milina fotsiny natao hamita asa (human doing).FR: Elle a écrit son premier livre parce qu'elle pensait mourir et c'est devenu le tout premier livre cartonné pour enfants jamais publié à Madagascar.Dans cet épisode, je m'entretiens avec Valisoa, autrice malgache de livres pour enfants, mère de deux enfants, et la femme qui construit discrètement son rêve d'ouvrir une bibliothèque et une librairie à Madagascar. Nous parlons de ce livre né d'un épuisement professionnel et de la question d'un enfant de trois ans (« Maman, qu'est-ce que ça veut dire "Je t'aime" ? »), de la façon dont la maternité l'a profondément révélée en tant qu'écrivaine, et de ce qu'il faut vraiment pour donner vie à un livre pour enfants.Nous explorons aussi en profondeur un sujet qui résonnera chez chaque femme malgache, où qu'elle soit dans le monde : qu'est-ce que cela signifie de transmettre notre culture et notre langue à la génération suivante alors que nous cherchons nous-mêmes encore à définir ce que signifie être malgache ? Pas de réponses faciles ici juste deux femmes qui réfléchissent à voix haute, avec beaucoup de grâce.Valisoa partage également des conseils pratiques pour les écrivains en herbe, sa philosophie sur la lecture intentionnelle comme forme d'autorégulation, et un rappel percutant : vous êtes d'abord un être humain avant d'être défini par ce que vous faites.EN: In this episode, I sit down with Valisoa, Malagasy children's book author, mother of two, and the woman quietly building a dream to open a library and bookstore in Madagascar. We talk about the book that was born from a burnout and a three-year-old's question ("Mommy, what does 'I love you' mean?"), why motherhood cracked her open as a writer, and what it really takes to bring a children's book to life.We also go deep on something that will resonate with every Malagasy woman, wherever she is in the world: what does it mean to pass our culture and language to the next generation when we ourselves are still figuring out what it means to be Malagasy? No easy answers here just two women thinking out loud, with a lot of grace.Valisoa also shares practical advice for aspiring writers, her philosophy on intentional reading as a form of self-regulation, and a reminder that landed hard: you are a human being before a human doing. -
S 3 Ep# 5 : Storytime C-section awareness : Ny tantaran'ny fiterahako / L'histoire de ma césarienne 21.04.2026 58minMG: Inona marina no dikan'ny hoe miteraka? Ny fanosehana ve? Ny fanaintainana ve? Ilay fotoana andrenesanao iny tomany voalohany iny ve? Ahoana raha tsy nahatsiaro tena mihitsy ianao nandritra izany rehetra izany?Amin'ity fandaharana manokana ity dia zaraiko ny tantaran'ny fandidiana ahy (césarienne) tampoka, fiterahana izay tsy hitako, tsy reko, ary tsy tsapako. Nomena fanafody fampatoriana tanterake aho nandritra ny fahatongavan'ny zanako teto an-tany. Ary rehefa tafaverina tao an-trano aho, dia tsy fanohanana loatra no niandry ahy, fa fanakianana."Tsy nahay nanosika angaha ianao? Fa maninona no navelanao hataon-dry zareo an'izany ianao? Efa noteneniko ianao mba handehandeha. Nisakafo be loatra ianao."Ireo no teny reko avy tamin'ny manodidina ahy. Ary fantatro fa nibitsibitsika tany ambadika tany ny olon-drehetra.Madagasikara, firenena niaviako, dia mbola misy henatra sy fanilikilihana lehibe mahakasika ny fiterahana amin'ny alalan'ny fandidiana. Ny vehivavy izay tsy miteraka "araka ny tokony ho izy" dia matetika heverina ho kamo, osa, na tsy nahomby. Saingy tsy any ihany no misy an'io finoana io fa misy izany eny anivon'ny fiarahamonina manerana izao tontolo izao.Amin'ity fizarana ity dia horesahako:Izay tena zava-mitranga mandritra ny fandidiana maika nahazo ahyNy vesatra ara-batana sy ara-tsaina amin'ny fahasitranana aorian'ny fandidianaNy zava-misy manaporofo fa manavotra aina ny fandidianaNy antony maharatsy ny fanilikilihanaIzay tokony holazain'ny fianakaviana (sy izay tsy tokony holazaina) amin'ireo reny niteraka tamin'ny alalan'ny fandidianaHafatra ho an'ny vehivavy rehetra izay mba efa nanontany tena raha "tena" niteraka tokoa izy ireoIty fizarana ity dia natokana ho an'ny Volana fampahafantarana momba ny fandidiana (C-Section Awareness Month). Natao ho an'ireo reny nifoha tao anatin'ny fahasahiranana ara-tsaina ka nanontany tena hoe aiza ny zanany . Natao ho an'ireo vehivavy mitondra fery tsy hita maso miaraka amin'ireo takaitra hita ety ivelany. Ary ho an'izay rehetra efa nampahatsiahivina fa hoatry ny tsy ampy maha-reny azy noho ny fomba nahaterahan'ny zanany.Niteraka ny zanakao ianao. Dia izay.FR: Qu'est-ce qu'accoucher » veut dire? Est-ce pousser ? La douleur ? Le moment où vous entendez ce premier cri de bébé? Et si vous n'étiez pas réveillée pour vivre tout ça ?Dans cet épisode très personnel, je partage l'histoire de ma césarienne d'urgence, un accouchement que je n'ai ni vu, ni entendu, ni ressenti. J'étais sous anesthésie générale pendant que mon bébé venait au monde. Et quand je suis finalement rentrée chez moi, je n'ai pas été accueillie mais parents.À Madagascar, d'où je viens, les césariennes sont lourdement stigmatisées. Les femmes qui n'accouchent pas "naturellement" sont souvent perçues comme faibles, paresseuses ou incapables. Mais cette croyance n'est pas propre à mon pays, elle existe dans des communautés du monde entier.Dans cet épisode, je détaille :Ce qui se passe réellement lors d'une césarienne d'urgenceLe poids physique et émotionnel de la convalescence après une césarienneLes faits prouvant que les césariennes sauvent des viesPourquoi cette stigmatisation est nocive Ce que les familles devraient dire (et ne pas dire) aux mères ayant subi une césarienneUn message pour toutes les femmes qui se sont un jour demandé si elles avaient "vraiment" accouchéCet épisode s'inscrit dans le cadre du Mois de sensibilisation à la césarienne. Il est dédié aux mères qui se sont réveillées confuses en se demandant où était leur bébé. Il est pour les femmes qui portent des blessures invisibles à côté de leurs cicatrices visibles. Et il s'adresse à toute personne à qui l'on a déjà fait sentir qu'elle était "moins mère" en raison de la façon dont son enfant est né.Vous avez mis votre bébé au monde. Point final. -
S 3 Ep # 4: Ny Fijalian'ny olombelona / Remettre en question la "sainte souffrance" avec Pasteur Hubert Rakotoarivony 14.04.2026 1h 16minMG: Azo heverina ho fahamasinana ve ny fijanonana anaty fiarahana na fanambadiana feno herisetra sy mandratra raha toa inoanao ho fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ilay olon-tianao, ary miampy ny fanantenana fa mbola hiova izy any aoriana any? Efa an-taonany maro no nibahana tao an-tsaiko io fanontaniana io. Amin'ity fotoana ity dia miverina miresaka amin'ny Pasitera Hubert aho handinihana ny fomba fijeriny momba ity lohahevitra ity. Ny resadresaka ataonay dia hikasika ihany koa ny votoatin'ny fijalian'ny olombelona sy ny tsy fahombiazan'ny fiangonana tamin'ny fitarihana sy fanoroana hevitra araka ny tokony ho izy ireo lehilahy sy vehivavy nandia ireny trangan-javatra ireny.FR: Est-il considéré comme saint de rester dans une relation abusive ou toxique si l'on est animé par la conviction que son partenaire est un don de Dieu et par l'espoir d'un changement futur ? Cette interrogation occupe mes pensées depuis des années. Dans cette session, je retrouve Pasteur Hubert pour explorer son point de vue sur ce sujet. Notre discussion abordera également la nature de la souffrance humaine et les façons dont l'Église a échoué à accompagner de manière adéquate les hommes et les femmes à travers ces expériences. -
Saison 3 : Episode #3 : Fijoroana amin'ny safidy: Ny fitiavana sy ny maha-izy ny tena arak’izay tadiavinao/ Assumer ses choix : Naviguer l'identité et l'amour selon ses propres termes 07.04.2026 1h 7minMG: Manao ahoana ny endriky ny fiainana feno rehefa tsy manaraka ilay lalana efa mahazatra ny maro? Amin'ity fizarana ity, dia manohitra ireo fitsipika sy lalana efa voasoratra mialoha ho an'ny vehivavy isika ary mandinika ny hakanton'ny fijoroana feno amin'ny safidy manokana. Miditra lalina amin'ny zava-misy iainan'ny mpivady tsy manan-janaka isika, miatrika ireo hevitra sy fitsarana avy any ivelany, manaisotra ireo zavatra noheverina fa fantatatra momba ny fitiavana maharitra, ary mampiorina ny fifandraisana amin'ny fifanajana sy ny safidy isan'andro.Mandinika ihany koa ireo fiovana lehibe eo amin'ny maha-izy ny tena ho an'ny vehivavy, indrindra ny tetezamita avy amin'ny fandraharahana mankany amin'ny asa anaty orinasa lehibe, hijerena izay tombony azo, izay very, ary ny fivoaran'ny fomba fahitana ny lanjan'ny tena mandritra izany dingana izany. Farany, miresaka momba ny fomba ahitana ny maha-vehivavy ivelan'ny maha-reny . Raha toa ianao ka miatrika fisalasalana momba ny ho avy na mamaritra indray ny dikan'ny fahalalahana sy ny fiadanana ho anao ankehitriny, dia ho anao mihitsy ity resadresaka ity.FR: À quoi ressemble une vie pleinement vécue lorsqu'elle ne suit pas la trajectoire attendue ? Dans cet épisode, nous remettons en question les scénarios traditionnels imposés aux femmes et explorons la beauté d'assumer fermement ses propres choix. Nous plongeons au cœur de la réalité d'un mariage sans enfants : faire face aux suppositions de l'entourage, désapprendre ce que nous pensions savoir sur la longévité en amour, et ancrer la relation dans le respect mutuel et le choix quotidien. Nous décortiquons également les profonds changements d'identité, plus précisément la transition de l'entrepreneuriat vers le monde de l'entreprise , en explorant ce que l'on y gagne, ce que l'on y perd, et comment notre estime de soi évolue au cours de ce processus. Enfin, nous discutons de la façon de trouver sa féminité entièrement en dehors du récit de la maternité. Si vous ressentez de l'incertitude face à l'avenir ou si vous cherchez à redéfinir ce que la liberté et la paix signifient pour vous aujourd'hui, cette conversation est faite pour vous. -
Saison 3 : Episode # 2 : Toekaren'ny fanaintainana sy tontolon'ny famoronana / De l'économie de la douleur à la créativité 31.03.2026 1h 32minMG: Amin'ity fizarana ity, dia hiresaka manokana momba ny fifanadraisan'ny toekaren'ny fahasalamana (économie de la santé), sy ny politikam-panjakana, ary ny tena iainan'ny marary any Madagasikara, amin'ny alalan'ny fitantanana ny fanaintainana mitaiza (douleur chronique) sy ny fampiasana rongony ho fitsaboana (cannabis thérapeutique). Ny vahinintsika, izay mpikaroka ara-toekarena sy mpahay sary, dia namakafaka ireo fatiantoka ara-olombelona sy ara-bola tsy hita maso vokatry ny politikan'ny "soins palliatifs" ankehitriny ao Madagasikara. Horesahana ihany koa ny fifandonana eo amin'ny fahaiza-mandanjalanja ara-toekarena (rationalité économique) sy ny fitsarana an-tendrony, ny fahasahiana ara-tsaina (courage intellectuel) ilaina amin'ny fanaovana fikarohana amina vahaolana voarara, ary ny fomba ampiasana ny zava-kanto ho fiteny mifameno amin'ny angon-kevitra akademika sy ho fitaovana ilaina amin'ny fanoherana ara-politika.FR: Dans ce nouvel épisode, nous examinons de manière critique l'intersection de l'économie de la santé, des politiques publiques et des réalités des patients à Madagascar, à travers le prisme de la gestion de la douleur chronique et du cannabis thérapeutique. Notre invitée, naviguant entre la double identité de chercheuse en économie et d'artiste, décortique les coûts humains et financiers invisibles des politiques de soins palliatifs actuelles. Nous explorons les frictions entre la rationalité économique et les préjugés idéologiques, le courage intellectuel nécessaire pour mener des recherches sur des alternatives médicales restreintes, et la façon dont l'art sert à la fois de langage complémentaire aux données académiques et d'outil indispensable à la résistance politique. -
Saison 3: Episode # 1 : Fahasalamana ara-tsaina : ny tena zava-misy iainan'ny reny malagasy / Santé mentale : la réalité des mères malagasy. 24.03.2026 1h 36minMG : Amin'ity fizarana vaovao amin'ny saison "Entre-nous" ity dia hiresaka lalina momba ny fahasalamana ara-tsain'ny reny any Madagasikara isika miaraka amin'i Dr. Kanto Rabemananjara. Na dia eo aza ilay fehezanteny fandre matetika hoe "tokony ho faly ianao satria fahasoavana ny zanaka," dia mbola maro ireo reny no miaritra irery ao anaty fahanginana noho ny henatra, ny tsindry ara-tsosialy, ary ny finoanoam-poana ny ady ara-tsaina manjo azy ireo. Mamakafaka ny tena zava-misy iainan'ny reny Malagasy isika, manomboka amin'ny fiantraikan'ny fahantrana sy ny dona, ka hatramin'ny tena dikan'ny fanohanana ara-pihetseham-po avy amin'ny vady sy ny fiarahamonina. Fizarana manasa antsika handrava ny fahanginana sy hijery izay tena ao ambadik'ilay tsiky izy ity, sady manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fihainoana tsotra sy ny fangorahana ireo reny manodidina antsika.FR: Dans ce nouvel épisode de la saison "Entre-Nous", nous explorons en profondeur la santé mentale maternelle à Madagascar avec la Dr. Kanto Rabemananjara. Bien que l'on entende souvent la phrase "tu devrais être heureuse car un enfant est une bénédiction", de nombreuses mères continuent de souffrir seules en silence, étouffées par la honte, la pression sociale et les croyances populaires après l'accouchement. Nous analysons la réalité complexe que vivent les mères malgaches, de l'impact de la pauvreté et des traumatismes jusqu'au rôle crucial du soutien émotionnel apporté par le partenaire et la communauté. Cet épisode nous invite à briser le silence et à regarder ce qui se cache vraiment derrière le sourire, tout en soulignant l'importance de l'écoute bienveillante et de la compassion envers les mères. -
Saison 2: Episode 17 : Fehiny : Fiverenana amin'ny tena / 10.03.2026 16minMG : Amin'ity fizarana farany ity, dia hiala amin'ireo teny filamatra manome hery sy ireo vahaolana vonjimaika isika, mba handinika ny tena dikan'ny hoe miverina amin'ny vatanao, tsy ho toy ny tetikasa mila havorariana, fa ho toy ny fifandraisana tokony haorina indray.Hiresaka momba ny fampiasana ny fahalianana isika fa tsy ny fanitsiana hatrany. Momba ny famelanao ny tenanao handeha tsikelikely ao anatin'ny fiaraha-monina izay maimaika amin'ny fanasitranana. Momba ilay asa mangina amin'ny fanadinoana ireo zavatra nahazatra teo aloha—tsy ny zavatra inoana ihany, fa ireo fihetsika mandeha ho azy. Momba ny antony mahatonga ny fahatsapana ho voaaro tsy ho rendrarendra, fa fototra iankinan'ny zava-drehetra. Ary momba ny fahatokisan-tena: ny fomba anorenana azy, tsy amin'ny alalan'ny fanononana teny tsara fotsiny, fa amin'ny alalan'ireo fotoana kely anajanao izay zavatra efa fantatrao ao am-ponao.Ity dia tsy momba ny hoe tsy maintsy tonga amina tanjona iray. Fa momba ny maha-eto sy ankehitriny. Momba ny fandraisanao ny tenanao teo amin'izay tena misy anao nefa tsy mitaky fiovana avy hatrany.FR: Dans ce dernier épisode, nous nous éloignons des slogans de motivation et des discours de solutions miracle pour explorer ce que signifie réellement le fait de revenir à votre corps , non pas comme un projet à perfectionner, mais comme une relation à reconstruire.Nous parlons de privilégier la curiosité plutôt que la correction. De s'autoriser à prendre son temps dans une culture qui précipite la guérison. Du travail ingrat qui consiste à désapprendre , non seulement des croyances, mais aussi des réflexes. C'est la raison pour laquelle le sentiment de sécurité n'est pas un luxe, mais le socle sur lequel tout le reste repose. Et de la confiance en soi : de la façon dont elle se construit non pas à coups d'affirmations, mais à travers de petits moments où l'on honore ce que l'on sait déjà.L'idée n'est pas d'arriver quelque part. Il s'agit de présence. De vous accueillir là où vous en êtes sans exiger de transformation au préalable. -
Episode Spécial IWD :Nahoana isika no mbola voagejan’ny "fotsy fisainana"? /NOIR ET FIER : Pourquoi a-t-on encore le « cerveau blanchi » ? 08.03.2026 30minMG: "Fa maninona no vao fotsy vao lazaina fa 'madio' na 'voadio'?"Amin'ity fizarana ity, hiditra lalina amin'ny lohahevitra somary mampangirifiry isika: Ny fomba ampitiavan'ny rafitra antsika ny "fotsy" sy ampanetrena antsika ny "mainty". Tsy resaka menaka fotsiny ity, fa resaka fanjanahan-tsaina mbola mamatotra ny Malagasy maro mandraka ankehitriny.Nahoana ny "fotsy tarehy" no heverina ho fiderana farany ambony, fa ny "mainty" kosa asiana "nefa" vao lazaina fa tsara? Nahoana isika no menatra amin'ny volontsika, ny tenintsika, ary ny lokon-koditra nianaran'ny masoandro?Ity podcast ity dia fampieritreretana ho an'izay rehetra mbola mihevitra fa mila manakaiky ny "fotsy" vao manana lanja. Tsy mila manova loko ianao vao ho sarobidy.FR: « Pourquoi faut-il être "clair" pour être considéré comme "propre" ou "raffiné" ? »Dans cet épisode, on plonge dans un sujet qui gratte là où ça fait mal : la colonisation de notre regard. On ne parle pas juste de crème éclaircissante, on parle de ce complexe d'infériorité qui pousse encore trop de Malgaches à courir après un idéal qui n'est pas le nôtre.Pourquoi le « blanc de peau » est-il devenu le compliment ultime, alors que pour le « noir », on ajoute toujours un « mais » ? (« Noir, MAIS joli »). Pourquoi a-t-on appris à avoir honte de nos cheveux crépus, de notre langue et de notre peau embrassée par le soleil ? Ce podcast est un électrochoc pour quiconque pense qu'il faut se rapprocher de « l'Occident » pour avoir de la valeur. Tu n'as pas besoin de changer de couleur pour être quelqu'un.Écoute ça si tu es prêt à briser tes propres chaînes. Aimons notre peau, sans aucun « mais ». -
Saison 2 Episode 16 :Ny Maha-Reny sy ny Firaisana: "Manao ahoana ny filanao ara-nofo aorian'ny fiterahana? /Maternité & Sexualité : Que devient le désir après l'arrivée des enfants ? 03.03.2026 34minMG : Inona no mitranga amin'ny faniriana/ filana rehefa lasa reny ianao? Ny tena marina dia matetika izy io manjavona, ary tsy misy mampitandrina anao mialoha.Ity fandaharana ity dia miresaka momba ny fahanginana momba ny firaisana ara-nofo aorian'ny fiterahana, mamakafaka ny zava-drehetra manomboka amin'ny ratra ara-batana sy ara-tsaina vokatry ny fiterahana, ny fiovan'ny hormonina, ka hatramin'ny faharerahana tafahoatra, ny fahatsapana ho meloka, ary ny tsindry mahazo ny reny mba ho vonona foana ara-nofo na dia eo aza ny vesatra mavesatra tsy takatry ny saina zakain'izy ireo.Hiresaka momba ireo toe-javatra maharary antsika isika: ny vatana izay sasatra sy leo fikasihana, sy ny firaisana izay lasa adidy fotsiny fa tsy fampiraisam-po intsony. Saingy mitondra fanantenana ihany koa ilay resaka satria tsy hoe foana mandrakizay akory ny faniriana/ filana. Miova endrika fotsiny izany. Ary azo atao tsara ny mamerina izany indray.Na reny vao niteraka ianao, na efa an-taonany maro no nitaiza, na vady miezaka ny hahatakatra, ity fandaharana ity dia hanova ny fomba fijerinao momba ny maha-reny sy ny fifandraisana akaiky eo amin'ny mpivady.FR : Que devient le désir lorsqu'on devient mère ? La réponse honnête : bien souvent, il disparaît et personne ne vous prévient.Cet épisode brise le silence sur la sexualité post-partum, en explorant tout : des traumatismes de l'accouchement et des bouleversements hormonaux jusqu'à l'épuisement, la culpabilité et la pression que subissent les mères malgaches pour rester sexuellement disponibles alors qu'elles portent des fardeaux insurmontables.Nous abordons des vérités douloureuses : la saturation du contact physique, et le sexe qui devient une obligation plutôt qu'un moment de connexion. Mais nous apportons aussi de l'espoir car le désir n'est pas perdu pour toujours. Il se transforme. Et il est possible de se le réapproprier.Que vous soyez une jeune maman, mère depuis des années, ou un partenaire qui cherche à comprendre, cette conversation changera votre regard sur la maternité et l'intimité. -
Saison 2: Episode # 15Ny Fahafinaretana sy ny Elanelana eo amin'ny Fahatongavana /Le Plaisir et le Fossé Orgasmique 24.02.2026 23minMG : Amin'ity fandaharana ity dia hiresaka momba ny lohahevitra iray lehibe kanefa matetika tsy resahina isika: maninona no vitsy kokoa ny vehivavy tonga (orgasme) mandritra ny firaisana raha ampitahaina amin'ny lehilahy?Hofakafakaintsika io elanelana io mba hanazavana fa tsy ny vatanao no misy olana, fa ny kolontsaina sy ny fomba nampianarana antsika.Hojerentsika ny fomba fifantohana fotsiny ny firaisana ara-nofo amin'ny fidiran'ny filahiana fotsiny, sady nanadino fa mila fanaitairana ivelany (clitoris) ny ankamaroan'ny vehivavy vao mahazo fahafinaretana feno. Hiresaka ihany koa isika momba ny maha-zava-dehibe ny fahatsapana filaminana ara-pihetseham-po mba hahafahana miala sasatra sy mankafy. Ny tena tanjona dia ny hampahatsiahy anao fa raha sarotra aminao ny tonga, dia tsy misy simba akory ianao fa ny fomba fijery mahazatra no mila ovaina.FR : Dans cet épisode, nous abordons une question essentielle mais souvent ignorée : pourquoi les femmes atteignent-elles l'orgasme beaucoup moins souvent que les hommes lors des rapports hétérosexuels ? Nous décortiquons le « fossé orgasmique » pour révéler qu'il ne s'agit pas d'un problème biologique, mais d'un problème culturel.Nous explorons comment l'éducation sexuelle et les médias ont centré la pénétration comme l'acte principal, ignorant le fait que la majorité des femmes ont besoin d'une stimulation clitoridienne pour jouir. Nous discutons également de l'importance cruciale de la sécurité émotionnelle pour permettre au corps de « lâcher prise ». Surtout, cet épisode est là pour vous rappeler que si vous avez du mal à finir, vous n'êtes pas "cassée" ,c'est le système qui l'est. -
Saison 2 : Episode # 14 : Sarintsarina fahafinaretana entina hanomezana toky ny olon-tiantsika / Simuler le plaisir pour rassurer nos partenaires 17.02.2026 41minMG : Maro amintsika ny mbola tsy noterena hanao firaisana, nefa betsaka ihany koa no nanao firaisana nefa tsy tena naniry izany tao am-po. Amin'ity fizarana ity, dia hiresaka amim-pahasahiana momba ilay "firaisana atao noho ny adidy" isika, izay matetika mitranga mba hisian'ny filaminana ao an-tokantrano. Hodinihintsika ny maha-samihafa be ny hoe "manaiky fotsiny" sy ny hoe tena "maniry sy mangetaheta" avy any anaty.Fotoana izao hitsaharana amin'ny fanaovana sarin-tsehatra mba hampifaliana ny hafa. Ny fitiavana ve dia midika fa tsy maintsy manolotra ny vatana na dia tsy te hanao aza?. Tsy "simba" na "marary" ianao raha tsy mazoto, fa mety miaro tena ny vatanao. Henoy ary ny andinindininy ! FR : On ne vous a jamais forcée à faire l'amour, mais vous avez déjà aussi fait l'amour sans en avoir vraiment envie. Dans cet épisode intime, nous brisons le silence sur le « sexe de maintenance » et ce sentiment d'obligation qui s'installe dans les relations de longue durée. Nous explorons la différence cruciale entre le consentement (dire oui) et le désir véritable (ressentir la faim).Il est temps d'arrêter de simuler le plaisir pour rassurer nos partenaires et de se poser la question radicale : l'amour signifie-t-il vraiment devoir sacrifier son propre corps ?. Rejoignez-nous pour découvrir pourquoi votre absence de désir n'est pas un défaut, mais peut-être une protection. -
Saison 2 : Episode # 13 : Ny fahanginana manodidina ny firaisana ara-nofo sy ny fananahana / Le silence autour du sexe 10.02.2026 27minMG : Ity fizarana ity no fototry ny andiany iray manontolo mikasika ny fananahana sy ny firaisana ara-nofo, satria dia horesahina eto ny zavatra tsy resahina mihitsy: ny firaisana ara-nofo ao anatin'ny fiaraha-monina Malagasy, indrindra ho antsika vehivavy. Maro ny hafatra tsy voateny tenenina fa voarain'ny zazavavy rehefa lehibe avy amin'ny fiaraha-monina mikasika ny faniriana (desir) , ny fomba fitondrana ny vatana, ary ny tosika mavesatry ny hoe "vehivavy tsara sy mendrika." Noho io fahanginana io, ny fanambadiana, na ny fiarahana voalohany dia lasa "efitrano fianarana voalohany" momba ny firaisana, mitarika fisafotofotoana, tahotra, henatra, ary fahalianana indraindray. Nahoana no mampidi-doza ny tsy fananana fiteny hamaritana ny vatana sy ny faniriana? Ary iza no tena mahazo tombony amin'izany fahanginana izany? Fanombohana ny dia hitadiavana ny teny ilaina sy handravana ny fahanginana ity fizarana ity. Mihainoa finaritra o! FR: Cet épisode est le fondement de toute la série sur la sexualité et le sexe, car il aborde ce dont on ne parle jamais : la sexualité au sein de la société malgache, en particulier pour nous les femmes.Les filles reçoivent de la société de nombreux messages tacites en grandissant concernant le désir, la façon de se comporter avec leur corps, et la lourde pression d'être une « femme bonne et respectable ». En raison de ce silence, le mariage ou la première relation devient la « première salle de classe » sur le sexe, entraînant parfois confusion, peur, honte et curiosité.Pourquoi est-il dangereux de ne pas avoir de langage pour décrire son corps et son désir ? Et qui profite réellement de ce silence ?Cet épisode marque le début d'un voyage pour trouver les mots nécessaires et briser le silence. Bonne écoute ! -
Saison 2 : Episode # 12 : Inona marina ilay tena vadinao rehefa manambady ianao ?Qui est réellement la personne que vous épousez ? 03.02.2026 48minMG : Aleon'ny olona manontany hoe: "Rahoviana ny mariazy?" toy izay manontany hoe: "Efa hitanao ve ny efitranon'izy io rehefa tsy ampoiziny hoe hisy olona ho avy hitsidika izy?"Horesahintsika eto ireo zavatra 5 tokony horesahan'ny mpifamofo nefa dinganina matetika alohan'ny fanambadiana, ary ny fomba fandalinana azy ireo tsirairay. Manomboka amin'ny fomba fijery ny vola, ny fetra apetraka amin'ny fianakaviana, ka hatramin'ny fomba fitantanana ny torimaso sy ny fomba fiainana; ity no "sedra" ho an'ny fiarahanareo.Tsotra kokoa ny manao an'ireo resaka ireo alohan'ny hidiranan lalina, toy izay any amin'ny biraon'ny mpisolovava any aoriana any.FR : Tout le monde demande : « C’est pour quand le mariage ? » Mais personne ne demande : « Est-ce que tu as vu l’état de sa chambre quand il pense que personne ne va passer ? »Nous allons passer en revue les 5 points que les couples négligent trop souvent avant de se dire « oui » , et exactement comment les passer au crible. De la philosophie financière aux limites avec la belle-famille, en passant par la gestion du sommeil et du stress : voici votre « stress test » préconjugal.Parce qu’il vaut mieux avoir ces conversations maintenant que dans le cabinet d’un avocat plus tard.Mihainoa finaritra o! -
Saison 2: Episode # 11 :Za’ tsy mpiasanao, ny resaka silipo sy ny tokantrano malagasy 21.01.2026 36minHitanao ve ilay lisitra nalaza be nataon'i Preta Suarez iny? Ilay izy mitaky lehilahy mikarama 20 Tapitrisa Ariary, mody ara-potoana foana, sy ilay hoe tsy manasa ny silipony izy?Maro tamin'ny teo amin’ny tambazotra no nilaza fa manonofy atoandro izy. Fa amin'ity épisode ity, handalina fijery hafa kokoa isika. Tsy hanakiana fotsiny ilay lisitra isika, fa hamakafaka ny tena dikan'ireo manoloana ny zava-misy iainan'ny mpifankatia/mpivady eto Madagasikara ankehitriny.Hojerentsika akaiky ny kajikajy ao ambadik'izany "Fiainana 20 Tapitrisa" izany, toy ny ahoana izany lehilahy izany, aiza izy no mipetraka, ary nahoana ny vehivavy mitady an'izany no mbola miasa saina amin'ny raharaha an-trano? Horesahintsika ilay "Paradoxe-n'ny Mpanampy", ilay hantsana goavana eo amin'ny fitadiavana lehilahy "mpamelona" sy lehilahy "namana" , ary nahoana no mety ho fanehoana ratram-po fotsiny ity lisitra ity manoloana ny lehilahy tsy hita ao an-trano sy zara raha manao ny adidiny. -
Pasteur Hubert Rakotoarivony : Ahoana ny hampitana ny soatoavinao amin’ny taranaka sy miaina amim-pahamarinana? 13.01.2026 1h 38minAmin'ity fizarana ity, nifampiresaka lalina tamin'i Pasteur Rakotoarivony aho momba ireo singa fototra ilaina amin'ny fiainana mba hampisy dikany ny fiainana. Nodinihinay ifotony ny antony mahatonga ny olona maro hahatsapa ho "very" na dia avara-pianarana sy tsara taiza aza, ary nametraka ity fanontaniana lehibe ity izahay: Nahoana ny fanabeazana no tsy mahavita mampianatra antsika hiatrika ny tena fiainana?Noresahinay ny anjara toerana lehibe raisin'ny finoana sy ny fitarihana (leadership), ary nodinihinay ny tena dikan'ilay hoe "ny marina hahafaka anareo." Tsy nijanona tamin'ny resaka harena ("richesse") fotsiny izahay, fa niresaka momba ny fomba fiaina amim-pahamarinana sy fahamendrehana, ary ny tena zava-dehibe: ny fomba hampitana izany soatoavina izany amin'ny taranaka mba hametrahana lova maharitra. Mihainoa finaritra o! -
Saison 2 : Episode # 10 : Mivoady ny ho tia tena 06.01.2026 32minAmin'ity fizarana voalohany amin'ity taona vaovao ity dia hiresaka lohahevitra somary lalina isika: ny fitiavan-tena, izay miainga avy amin'ny bokin'i Kamal Ravikant sy ny tantarako manokana.Mizara ny ady noentiko hatramin'ny fahazazako aho: tena nankahala ny vatako satria nolazain'ny reniko fa "matavy" aho, be molotra, ary boribory tava "ohatry ny volana". Noho izany, dia niezaka mafy aho nanao "Zazavavy Tsara" (Good Girl) nihezaka ho tonga lafatra tamin'ny fianarana sy ny fitondran-tena satria nino aho hoe mila "miasa" vao mahazo ny fitiavan'ny ray aman-dreny.Miresaka momba ny fahasamihafana misy eo amin'ny fitaizana zazalahy sy zazavavy ihany koa aho amin'ity fandaharana vaovao ity: ny zazalahy matetika dia omena toky sy tiana amin'izay maha-izy azy izy, fa ny zazavavy kosa dia tsikeraina foana mba ho tonga lafatra.Ny tanjona anio dia ny hianarana mitia ny tenantsika amin'ny fomba marina, tsy miandry hoe "tonga lafatra" , mba hahafahantsika mampita izany fahatokisan-tena izany amin'ny zanatsika vavy. Mihainoa finaritra ary ! -
Saison 2: Episode # 9: Fomba hafakely hiatrehana ny taona vaovao. 30.12.2025 41minRaha ianao ilay zatra mpanao resolution alohan'ny faran'ny taona, dia andramo indray ity fomba hafa ity ho an'ny tenanao. Henoy eto ary ny andinindininy. Mihainoa finaritra o ! -
Saison 2 : Episode # 8: Ireo tombotsoa rehefa reny miasa VS ireo tombotsoa rehefa reny mikarakara tokantrano 23.12.2025 39minAo anatin'ity episode ity dia mampitaha ireo tombotsoa manokana iainanan'ny reny miasa aho sy ny tombotsoa an'ireo reny misafidy ny hikarakara tokantrano. Samy manana ny hanitry ho azy izy ireo ary hitako hoe tsy dia tena azo ampitahaina loatra. Henoy eto aty ny andinindininy. Mihainoa finaritra ary o!
Oblíbený v
Tento podcast se objevuje také v podcastových žebříčcích těchto zemí.