Ilay Podcast
Ilay Podcast - Sambatra RAMANANDRAY - Marina HARAN
0
Ity podcast ity dia sehatra iraisana ifanakalozana hevitra sy traikefa momba ny fiainana andavanandro. Ny mpamorona azy dia mino fa ny zava-bitany sy ny fahombiazany dia vokatry ny fihaonana sy ny fifandraisana samihafa. Manasa ny mihaino rehetra izy ireo, na inona na inona fiaviana, fivavahana, na sarangam-piarahamonina, hianatra sy hifanampy amin'ny alalan'ity podcast ity. Ny tanjona dia ny hampitombo ny harena ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny fifanakalozana sy ny fisaintsainana iombonana.
Epizódy
-
S3E16-Ny ray aman-dreny sy zanaka 20.09.2025 30min👨👩👧👧 Ny ray aman-dreny sy zanaka : fitiavana, fitaratra, fenitra, fanabeazana ...☀️ Maro ny teny tonga ao an-tsaina rehefa miresaka izany lohahevitra izany isika.🎧 Manasa anao hihaino ! -
S3E15-Limite 07.09.2025 29min🚧 Limite-Fetra🚫 Hatreto ...Izay lohahevitra izay no horesahantsika amin'ity épisode ity.Mihainoa finaritra ! -
S3E14-Ny Famelan-keloka 23.08.2025 30min😤 Mamela heloka? Sarotra sa mora? Maso solon'ny maso, nify solon'ny nify?🙌🏽 Ny heloka ibaboana hono anefa mody rariny🪴 Izany lohahevitra izany indray no ho resahantsika androany. Mamela ny heloky ny nanao ratsy, mangataka famelan-keloka raha nanao ny tsy mety.Mihainoa finaritra ! -
S3E13-Atero ka alao 18.08.2025 30min📢 Fomba malagasy izay "tsy hita izay maharatsy azy" ny atero ka alao. Hiresaka momba izany indrindra amin'ny fiainana an-davanandrontsika isika.📝 Ny valim-bambena ihany koa anie ka "atero ka alao" e! 💱 Fifampiraharahana sa fitiavana ? Izany no horesahantsika indray androany. Mihainoa finaritra! Aparitaho raha sitrakao ! -
S3E12-Cliché 02.08.2025 27minFinoana iombonana miraiki-tapisaka.Izay ve no azo ilazana ny "cliché" amin'ny teny malagasy. Izany indray no lohahevitra ho resahantsika ato anatin'ity épisode ity iarahantsika amin'i Karine izay vahinintsika. Mihainoa finaritra ! Aparitaho raha sitrakao. -
S3E11-Fialonana 03.05.2025 25min🔓 Ny fialonana indray no lohahevitra horesahantsika indray.🔥 Moramora jalousie ... -
S3E10 - Ny mahamalagasy - Tapany 2 - Rediffusion 13.04.2025 31min🇲🇬 Rediffusion : S1E10 Ny mahamalagasy. Tapany faha 2🇲🇬 Amin'izao alahamady izao dia indro averina amintsika eto ny épisode iray niresahantsika ny mahamalagasy.Mihainoa finaritra ! -
S3E09 - Ny mahamalagasy - Tapany 1 - Rediffusion 05.04.2025 26min🇲🇬 Amin'izao alamahady izao dia indro averina amintsika eto ny resatsika mikasika ny mahamalagasy.🇲🇬 Mihainoa finaritra ! -
S3E08-Équilibre 22.03.2025 25minSEE08-Équilibre⚖️ Marina, miralenta, mifandanja ...✨ Izany teny izany no afaka ilazana ny équilibre amin'ny teny malagasy.🎧 Izay lohahevitra izay indray no horesahantsika androany.Mihainoa finaritra ary ô ! -
S3E07 - Fahatokisan-tena 15.03.2025 29minHery manosika antsika hanao zavatra ny fahatokisan-tena ary ilaina tokoa amin'ny fiovoarana sy ny fiovana . Izay lohahevitra izay indray no ho resahantsika androany. Mihainoa finaritra ... -
S3E06-Fianarana ny fiainana 22.02.2025 26min📚 Mianatra miaraka, miaraka mianatra. 📝Ny teny filamitry ny fandaharantsika no ho resahantsika amin'ity épisode ity. Fianarana tokoa mantsy ny fiainana ary raha miaraka isika dia hahomby kokoa. 🎓 Mihaino finaritra ... -
S03E05 - Rentable ve ny fanaovana podcast ? 😁 01.02.2025 25minIzany fanontaniana izany indray no hovaliantsika ao anatin'ity épisode ity ! Ny valiny aloha dia teneninay ety am-piantombohana hoe ENY, rentable ny fanaovana podcast. Manasa antsika hihaona sy hihaino hatramin'ny farany ... -
S03E03 - Fanantenana 28.01.2025 27min🙌🏽 "L'espoir fait vivre" - "Mamelona ny fanantenana". Izany lohahevitra izany indray no horesahantsika androany. Toa misy manatsatso mantsy fa hoe ho an'ny "imbécile" 😬 ihany izany teny izany; mamelona ireo "vendrana "ihany fotsiny marina ve ny fanantenana? Aminay dia mamelona 😃 ny fanantenana satria mitondra hery ✊🏽 sy toky ho amin'ny ho avy fa ho tsara ary hotanteraka ireo faniriana. 🏆 Efa niresaka ny finoana isika, izay antoka mampisy fanantenana ihany koa . Mifampiankina ny finoana sy fanantenana ary hery lehibe entina mandroso amin'ny fiainana. ☀️ Manasa anao ary hiaino indray ity épisode ity ! -
S03E04 - Perversion narcissique 28.01.2025 29min🔥 Nisy trangam-piarahamonina hitantsika teto amin'ny tambajotran-tserasera nalaza herinandro vitsivitsy izay nahakasika ilay raim-pianakaviana naneho herisetra tamin'ny zanany vavy. 👉 Ny lohahevitra horesahantsika androany dia hamelabelatra amintsika ny perversion narcissique izay mety ho antony nahatonga izany. 🎙️ Fandinihana ihany ny anay eto amin'ny pejy ary fampahafantarana ihany koa ho an'ny mpiara-belona amin'ny loza ateraky ny perversion narcissique. Mihainoa finaritra ! -
S03E02 - Fiovana 11.01.2025 32minRehefa voalohan'ny taona tahaka izao dia miandrandra fiovana daholo isika. Maniry fiovana, mangetaheta fiovana. Ny fiovana anefa dia miainga amintsika aloha mba hampisy fanovana : Fiovan'ny toetsaina, Fiovan'ny toepo (sentiments), Fiovan'ny vatana - sns "Le changement est la seule constante" Tsy afa-bela amin'ny fiovana isika, fa ny anjarantsika dia ny manova ireo voalaza eo ambony ireo, manova fomba famindra. Tsy afaka handeha tsisy kiraro amin'ny ranomandry, fa anjarantsika no manao kiraro mafana. Tsy afaka hanala hetaheta raha tsy mampiditra ny rano ao am-bava, maka ny rano eny an-doharano ... Mila ezaka amintsika tsirairay avy izay fiovana izay, ary misy ireo sakana tsy ahafahantsika manao izany ... Izay indray no lohahevitra horesahantsika ato anatin'ity episode ity. Mihainoa finaritra ary ! -
S03E01 - Fiatoana 06.01.2025 20minS3E01 - Fiatoana Izay indray no lohahevitra voalohany horesahantsika amin'ity taona vaovao ity. Fiatoana ilaina hakana bahana indray ... -
S2E08 - Ny fifandraisana 23.03.2024 27min📢 Mahay mifandray, mahay mianatra, mahay mandamina ... Fifandraisana ho amin'ny filaminana sy fandriam-pahalemana ... 💬 🗯️ -
S2E07 - Ny psychologie sy ny fiarahamonina malagasy. 09.03.2024 29minNy psychologie sy ny fiarahamonina malagasy.Azo ampiarahana sa tsy mifanaraka? 🤔Fisehony iray no hozarain'i Baliaka amintsika androany. Ialana tsiny ny feo tsy tomombana tsara noho ny lafiny teknika. -
S2E6 - Ny ambo ... 24.02.2024 23minratsy sa tsara? Ndao hanana ambo tsara ... -
S2E5 - Ndao hiady amin'ny fahantrana ... 🛡️✊🏽 10.02.2024 27minTsia !!!! Tsy voaozona hahantra i Madagasikara sy ny Malagasy ... 🏆
Obľúbený v
Tento podcast sa objavuje aj v rebríčkoch podcastov týchto krajín.