Soa i Madagasikara

Soa i Madagasikara

Soa i Madagasikara
Country Madagascar
Language MG-MG
Episodes 92
Latest 26.04.2026

Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.

Episodes

  • Akon’i Gasikara – Didier Ratsiraka : Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ny ho avy 26.04.2026 3m
    Raki-peon'i Didier Ratsiraka dia miantso ny Malagasy ho amin’ny fampihavanam-pirenena sy fifampiresahana, ho fototry ny fanorenana an’i Madagasikara amin’izao fotoan-tsarotra izao.
  • Akon'i Gasikara - Sefo Fokontany : tokony hofidiana sa hotendrena ? Hevitry ny Depiote Antoine Rajerison 07.04.2026 1m
    Antoine Rajerison, depiote malagasy, mampahatsiahy ny lanjan’ny Sefo Fokontany ary manohitra ny fanendrena azy. Miaro ny hevitra izy fa tokony hofidian’ny Fokonolona.
  • Mba fantatrao ve ? – Fanehoankevitra momba ny famerenana ny Fokontany ao anaty vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana 07.04.2026 6m
    Miverina amin’ny fototra malagasy ve i Madagasikara? Resahana ato ny anjara toerana lehibe tokony homena ny Fokontany sy ny fananganana rafitra mifanaraka amin’ny maha-malagasy.
  • Akon'i Gasikara - Michaël Randrianirina : Antso ho an’ny tanora – Fahatsiarovana 29 Martsa 1947 29.03.2026 3m
    Michaël Randrianirina miantso ny tanora malagasy handray andraikitra amin’ny hoavin’ny firenena, hiady amin’ny kolikoly ary tsy ho voafitaka ara-politika. Hafatra mafy avy any Moramanga, 29 Martsa 1947.
  • Akon'i Gasikara - Tanora malagasy sy politika : antso sy hafatra avy amin’i Hajo Andrianainarivelo 21.03.2026 1m
    Ny tanora malagasy no ho avin'i Madagasikara. Antso avo mba tsy ho voafitaka sy voazarazara ary hiofana amin'ny fitondrana firenena rahampitso.
  • Akon'i Gasikara - Hetsika fambolen-kazo sy politika – inona marina no tanjon’ny Malagasy Miara Miainga ? 21.03.2026 1m
    Fambolen-kazo nataon’ny MMM : hetsika tontolo iainana sa misy hafatra politika ao ambadik’izany ? Fanadihadiana sy famakafakana.
  • Mba Fantatrao ve ? - Fanehoankevitra momba ny toerana tokony homena ny Fokonolona sy fitsapankevi-bahoaka 21.02.2026 5m
    Fanehoankevitra momba ny anjara toeran’ny Fokonolona sy ny fitsapankevi-bahoaka amin’ny fanapahan-kevitra lehibe eto Madagasikara.
  • Akon'i Gasikara - Fitsidihana Ofisialy any Rosia : Fanavaozana sy Fiandohana Vaovao 19.02.2026 1m
    Nitsidika tamin’ny fomba ofisialy an’i Rosia ny Filohan’ny Repoblika Michaël Randrianirina, nanambara fiandohana vaovao taorian’ny 55 taona nisian’ny fifandraisana diplomaty.
  • Akon'i Gasikara - Didier Ratsiraka sy ny Vinan’ny Angovo : Bemolanga sy Tsimiroro, Fahafahana Very sa Fotoana Mbola Azo Raisina ? 19.02.2026 1m
    Nandritra ny fitondran’i Didier Ratsiraka dia efa nisy vinavina hampiasana ny solika mavesatra ao Bemolanga sy Tsimiroro hananganana toby famokarana herinaratra sy hampifandray ny tanàna lehibe. Afaka namaha ny delestazy ve izany ?
  • Akon'i Gasikara - 31 Desambra 2025, Ny Lalana Efa Natoron’ny Tanora 31.12.2025 2m
    Tamin’ny 31 Desambra 2025, nilaza ny Filoha Michaël Randrianirina fa efa voasoritra ny lalana, tarihin’ny tolona nataon’ny tanora, mankany amin’ny Repoblika faha-5 sy fifidianana malalaka.
  • Akon'i Gasikara - Kabary nataon’i Michaël Randrianirina – Toromarika ho an’ny governemanta vaovao 28.10.2025 1m
    Kabary manan-danja nataon’i Michaël Randrianirina ho an’ny minisitra vaovao, mampahatsiahy fa ny vahoaka no tompon’andraikitra amin’izy ireo.
  • Akon'i Gasikara - Mikolo : Feon’ny GenZ Tsy Natahotra 05.10.2025 1m
    Mikolo, mpianatra iray, lasa iray amin’ireo endriky ny GenZ nandritra ny hetsika teto Madagasikara. Tsy natahotra ny famoretana izy, ary tamin’ny teny tsotra nefa mazava no nitenenany, teny izay niparitaka manerana ny nosy sy tambajotra sosialy.
  • Akon'i gasikara - Antson’ny Ray aman-dReny avy any Sambava ho an’ny Tanora : Aza Manaiky ny Tsy Rariny 05.10.2025 1m
    Nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ, Ray aman-dReny iray avy any Sambava no miantso ny tanora mba tsy hiandany amin’ny fitondrana intsony, manoloana ny herisetra sy ny ain-jaza very nandritra ny famoretana.
  • Akon'i Gasikara - GenZ Renim-pianakaviana manohana ny zanany 05.10.2025 3m
    Nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ teto Madagasikara, renim-pianakaviana iray no niara-nidina an-dalambe tamin’ny zanany lahy, nanohana azy sy naneho fa tsy manaiky ny hangina intsony izy ireo.
  • Akon'i Gasikara - Marina daholo ny lazainao Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY 24.09.2025 1m
    Fony tao amin’ny fanoherana, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY nahay niteny sy nitsikera mafy ny fitondrana. Fa nony tafiditra tao amin’ny fahefana, toa hadino vetivety ireo teny sy foto-kevitra niarovany taloha.
  • Akon'i Gasikara - Profesora James RATSIMA manamafy ny Fitiavan-tanindrazana 20.09.2025
    Tsy tokony ho teny an-tendro-molotra fotsiny izany fitiavan-tanindrazana izany. Ka manamafy izay ny Profesora James RATSIMA.
  • Akon'i Gasikara - Profesora James RATSIMA mametraka fanontaniana 20.09.2025 1m
    Fanontaniana maro no apetraky ny Profesora James RATSIMA manoloana ny raharaham-pirenena.
  • Mba fantatrao ve ? - Ny adidy sy andrikitry ny olompirenena aorian’ny fifidiana 17.03.2025 11m
    Ny demokrasia dia fahefan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka. Fahefan’ny vahoaka (satria vahoaka masimandidy).
  • Mba fantatrao ve ? - Ny voalaza ao anaty lalampanorenana momba ny Kaominina 01.12.2024 13m
    Ny fanontaniana azontsika tonga dia apetraka avy hatrany dia hoe : Tena mizaka tena ara-pitantanana sy ara-bola araky ny voalazan’ny lalampanorenana tokoa ve ny nondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sa tsia.
  • Mba fantatrao ve ? - Ny Repoblika nifandimby teto Madagasikara - Tapany voalohany 26.06.2024 11m
    Ny repoblika voalohany dia ny « Repoblika Malagasy » izay nanana ny teny filamatra : Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana, nanomboka tamin' ny 14 Ôktôbra 1958 ka hatramin’ ny 30 Desambra 1975.

Popular in

The podcast also appears in the podcast charts of these countries.